Actualités

DELC MAHAJANGA Hametraka ny lalŕna mifehy ny tontolo iainana eto Madagasikara


  • Talata 23 Jona 2015

Nahazo vahana tato ho ato ny fanimbana ny ala eto Madagasikara, indrindra tao amin’ny faritra Boeny sy ny manodidina ka tsy mbola nisy ny sazy mihatra an’ireo manimba azy io.

 

 Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy nijery fotsiny ny amin’ny fahasimban’ireo ala ny DELC ( development and Environment Law Center) fa dia niditra nandray andraikitra ny amin’ny fiarovana ireo ala misy eto amintsika. Napetraka ny lalàna mifehy ny ala aty amin’ny tany Afrikanina ka anisan’ny arovana koa ny ala eto Madagasikara.  Ny DELC no sampandraharaha hisahana ny fanaraha-maso ny ala sy ny fampiharana io lalàna velona entina mifehy ny tontolo iainana. Ny tanjon’ity sampandraharaha misahana ny fiarovana ny tontolo iainana ity ny fahaizan’ny olona hitantana ny ala sy ny fiarovana azy ireo mba tsy ho simba. Mety hiafara amin’ny fiakarana eny anivon’ny fitsarana ny sazy ho an’ireo mpanimba ny ala. Efa miparitaka manerana ny nosy ny biraon’ny DELC ka azon’ireo rehetra mahita ny endrika fanimbana ny ala atao ny miantso azy ireo raha sendra ny olona manimba ala nefa tsy nahazo alalana mazava.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT