Dany Rakotoson

«Io resaka mpanohana sy mpanohitra


  • Alarobia 24 Jona 2026

io mihitsy no isan’ny tsy mampandroso»

Misy foana ny fisafotofotoana rehefa tsy mazava ny tiana ahatongavana eto amin’ity firenena ity, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny tsy fitoviam-pijery no maha politika ny politika sy maha olombelona, hoy izy. Tsy mazava tsara ilay nifampiresahana teny an-kianja sy ny hoe fanavaozana matoa misy ny fisafotofotoana. Be dia be ny fandraisana andraikitry ny fitondràna ankehitriny tokony nataona olom-boafidy ahafahana miainga amina ideolojia na fotokevitra ijoroana antoko politika iray hoe afovoany na havia na havanana. Izay no ahafahana mamaritra fiainam-pirenena iray mba hampandrosoana azy haingana. Tsy natao ho laharam-pahamehana mihitsy ny fikaonandoham-pirenena no olana fa rehefa nandeha ny fihaonan’ny tanora na ny raiamandreny ara-panahy amin’ny olompirenena hoe ny nifanarahana teny an-kianja dia ny hidirana amin’ny fanavaozana tsy hidirana amina krizy vaovao intsony dia tsy izay no nataon’ny fitondràm-panjakàna fa niezaka nanamari-toerana sy nanao fifanarahana iraisampirenena samihafa. Ny fikaonandoham-pirenena nefa no tokony hamaritra ny tokony diplaomasiantsika na ny politika momba ny harena an-kibon’ny tany sy fifanarahana iraisampirenena samihafa. Toy izany koa ny resaka fanabeazana, fahasalamana, maro be izay tokony ho dinihina ialàn’ny firenena tanteraka anaty fahantrana. Tsy tokony hisy izany fiatoana politika izany, raha ny tena marina, satria samy manana ny heviny sy ny heveriny fa tokony atao foana amin’ny fotoana ilàna izany, raha toa ka izay no mahasoa ny firenena. Tsy dia hoe fiarahan-koman’ny mpanao politika loatra angamba nefa no dikan’io satria sady ny eto amintsika koa rehefa tsy anaty fitondràna ianao na mpanohana fitondràna dia hoe mpanohitra fa tsy toy ny any amin’ny tany mandroso hoe hery havia na havanana. Io resaka mpanohana sy mpanohitra io mihitsy no isan’ny tsy mampandroso satria ny firenena iray ohatran’ny sambo iray ka noho izany, izay fotokevitra maharesy lahatra vahoaka no tokony tohanana sy avela hitondra ilay sambo. Raha vao miteny tsinona hoe mpanohitra dia ny asan’iny izany mampihemotra an’ilay sambo foana na mandroso aza ilay izy. Rehefa hoe mpanohana dia na sambo efa ho rendrika aza dia lazaina fa mbola afaka mandeha ihany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT