Dany Rakotoson

"Ilaina ny fifehezan-tena iombonana!"


  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

olompirenena hiatrika izany atao hoe fanavaozana izany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Voalohany amin'izany, hoy izy, ny fananana fandraisana andraikitra avo am-piniavana. “Raha mandeha tsara ny firenena dia misy anjarako amin’izany koa.” Manaja ny lalàna izy ireo na dia tsy misy fanaraha-maso aza. Mandoa hetra tsy mitady hangalatra na handika lalàna. Mikarakara ny fananam-bahoaka. Ny fifampitokisana no fanalahidy voalohany. Teboka manan-danja indrindra io. Fifampitokisana eo amin’ny samy olompirenena, amin’ny fanjakana, amin’ireo rafitra sy andrim-panjakana. Vokany, mihena ny kolikoly, mihena ny tsy fifampitokisana, mitombo ny fahombiazana. Ilaina ny kolontsaina momba ny fitoviana sy ny rariny. Tsy ekena ny elanelana be loatra eo amin’ny manan-karena sy ny mahantra. Hajaina ny tsirairay, na inona na inona toerana misy azy. Misy firaisankina ara-tsosialy matanjaka. Tsy misy mahatsiaro ho adino ka mihena ny fifandirana ara-tsosialy. Ilaina ny fifehezantena iombonana malefaka. Tsy fifehezana terena fa efa tafiditra ao an-tsaina. Ilaina ny fahatongavana ara-potoana, fandaminana, fanajana ny asa vita tsara. Ataon’izy ireo tsara ny zavatra, na dia tsy misy mahita aza. Fijery lavitr’ezaka ny miheritreritra 10, 20, na 50 taona mialoha ireo fiaraha-monina ireo. Eo ny fampiasam-bola amin’ny fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana, fitantanana amim-pitandremana ny harena toy ny solitany any Norvezy. Mila manaiky hahafoy tombontsoa vetivety ho an’ny ho avy. Tsy fandeferana amin’ny kolikoly sy ny tsy fahombiazana. Tsy eken’ny fiarahamonina ny fitaka. Saziana ny fitondran-tena tsy tomponandraikitra, tsy ara-dalàna ihany fa ara-tsosialy koa. Manana anjara toerana lehibe ny tsindry ara-tsosialy. Mila fanabeazana olompirenena tsy mivantana na dia tsy misy lahateny politika aza. Mianatra manaja lalàna ny ankizy dieny mbola kely. Ampianarina ny fahaleovantena sy ny fiaraha-miasa. Fifandraisana madio amin'ny ny vola. Tsy fitaovana hanehoana fahefana ara-tsosialy ny vola. Ny kalitaon’ny fiainana no zava-dehibe kokoa noho ny harena hita maso. Mihena ny fifaninanana tsy ara-pahasalamana, hoy hatrany ny tenany..
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT