Dany Rakotoson

«Efa fidinana any amin’ny helo mihitsy ve no misy eto?»


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Sakana indrindra amin’ny resaka toekarena ny resaka herinaratra, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

Rehefa misy mpandraharaha, hoy izy, handraharaha amina toerana iray dia isan’ny jereny ny sandan’ny angovo. Ny eto amintsika nefa tsy resaka sanda fotsiny fa tena fisiany mihitsy satria be loatra ilay fahatapahan’ny herinaratra na delestazy. Na tiantsika na tsia, ny mahatonga io fiakaran’ny tsy an’asa be dia be eto amin’ny firenena io, ao anatin’izany moa ny resaka fahantrana foana hoe isan’ny firenena faran’izay mahantra i Madagasikara. Betsaka ireo mpanety na mpanao abobo na «Yaourt» na mpanao tsena momba ny hena, izany hoe, «charcuterie» na mila vata fampangatsiahana hafa no mila herinaratra. Eo ny resaka fanefena vy na «soudure». Be dia be no ilàna herinaratra amin’ny filàna andavan’andro. Ireny olona ireny izany dia betsaka no mety nanala ny olona tao aminy dia lasa ilay tompony mihitsy no mandraharaha fa tsy afaka mampiasa olona intsony. Isany zava-doza izany any amin’ny resaka toekarena. Raha ohatra ka mitroatra ny olona amin’izao fotoana izao dia tokony hitroatra lavitra mihitsy satria ny mampalahelo rehefa tsy maheno ny zava-miseho rehetra ilay fitondram-panjakana. Na ny filoham-pirenena aza tamin’ny fampielezankevitra 2018 niteny hoe voavahantsika io. Efa tapitra izay fotoam-piasana voalohany. Efa manomboka fotoam-piasana faharoa izy, mbola tsy hita ihany hoe inona no vahaolana? Efa fidinana any amin’ny helo na «descente à l’enfer» mihitsy ve no misy eto amin’ny firenena noho io hoe tsy voafehin’ny fitondram-panjakana io ny resaka herinaratra sy rano, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT