Actualités

Dance 261 andiany voalohany any Ambositra Amin’ny sabotsy izao ny famaranana


  • Zoma 18 Jolay 2014

Manao tohivakana ny famaranana ny hetsika “Dance 261” miady amin’ny paraky sy sigara karakarain’ny Earing Madagascar sy ny Ong Ny Sahy

Taorian’ny tany Antsirabe tamin’ny sabotsy lasa teo dia anjaran’Ambositra indray amin’ny sabotsy 19 jolay izao no hanatanteraka ny famaranana ka ao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly St Louis ao ambositra no hanaovana azy ny  tolakandro manomboka 2 ora. Marihina fa mpianatra nahatratra 839 avy amin’ny sekoly  6 Lycée Privé St Louis, Ceg Ankorobe, Lycée Ankorombe, Ceg Ambohimiadana, Lycée Rakotoarisoa, Lycée Benjamin Escande no nahazo fiofanana amin’ny zava-dratsy ateraky ny paraky sy sigara tao Ambositra nandritra ity andiany voalohan’ny Dance 261 tany an-toerana ity. “Module” 4 hatrany moa no lohahevitra hampitaina amin’ireo mpianatra ka tamin’ity dia ny  fanasokajiana ny Drogue ny voalohany, faharoa ny fepetra samihafa sy lalàna mifandraika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, fahatelo ny sigara sy rongony (Cannabis) ary alikaola ary faha-4 ny Ecstasy.  Hatramin’ny taona 2008 nanombohan’ny fifaninanana dia nanohana ny Ong Ny Sahy sy Earyn hatrany tamin’ny fanatanterahana ny hetsika ny Fondation Telma sy ny Ofnalat ary ny Cicld.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT