Mitombo isa isan-taona ireo sekoly mandray anjara amin’ny “Dance 261”, na ilay hetsika karakarain’ny ONG Ny Sahy entina hiadiana amin’ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fifohana sigara ary fihinanana paraky
Nambaran’Atoa Ramamonjisoa Haja, filoha nasionalin’ny fikambanana fa amin’ny alalan’ny dihy izay ankafizin’ny tanora no hampitana ny hafatra amin’ny maha ratsy ny fidorohana zava-mahadomelina amin’ireo namany mitovy aminy, ka misy ny lesona omena azy ireo mialoha ny fanombohan’ny seho an-tsehatra ka izy ireo indray no lasa mpampianatra amin’izany ary hatreto dia hita fa tsara ny fiantraikan’izany. Nanamafy Atoa Ranarijaona Richard, Provizeran’ny Lisea André Resampa fa hita taratra ao amin’ny sekoly iadidiany ny vokatry ny ady satria tena mihena ny isan’ireo mpianatra mifoka sigara ao amin’izy ireo. Tao amin’ny FOKRIFA Antsirabe no nanaovana ny lalao famaranana tamin’ity andiany faha-3 ity ka nivoahan’ny ekipan’ny Fusion Team avy amin’ny Lycée Catholique St Martin ho mpandresy (isa 201) nanoloana ny Tit’Art Nium (Lycée Privée Gallo Junior, isa 193). Izy roa ireto no hisolotena an’Antsirabe hiady ny tompondaka rejionaly hatao eto Antananarivo amin’ny volana desambra 2014. Faha-3 ny
Flying Dance (LARA) isa 187, faha-4 SP Crew (LARA) isa 186 ary faha-5 ny Dragon Team Bira (Collège Privé Poussins), isa 176. Tsy tonga niatrika ny famaranana kosa ny Cres Chore (St Jo Ambohibary) sy ny Shaman King Style (LP Le Pilier).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.