Actualités

Dahalo nanafika mpitondra omby Voasambotra tany Bongolava


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Taorian’ilay nitranga tao amin’ny kaominina Betafo dia nitrangana fanafihana mpitondra omby indray iny lalam-pirenena faha-34 iny ny Sabotsy 23 jona 2 lasa teo. Omby novidiana tany amin’ny tsenan’omby tany Miandrivazo hoentina hamidy ny alarobia 25 Jona tao Mandoto ireto nisy nanafika ireto.......

Tao atsinanan’ny Kaominina Dabolava ireo mpandroaka omby miisa 120 no notafihana dahalo am-polony izay mitondra fitaovam-piadiana mahery
vaika, araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo tompon’omby. Nentin’ireo dahalo nianavaratra nihazo ny faritr’i Bongolava ireo omby raha ny nambaran’ny tompony.
Niantso ny tafika tao amin’ny tobin’ny Kaompania 109 Mandoto ireo tompony ka ireo no nihetsika. Raha nynambaran’ny Sergent Rasolonirina Hery, izay nitarika ireo miaramila telolahy nitarika ireo vahoaka 40 lahy nanara-dia dia ny Zoma 27 jona izy ireo no niainga  nitsongo dia ireo dahalo, araka ny fanomezam-baovao tamin’ny mponina ka nahafantarana fa lasa tao amin’ny tananàn’Ambondrombe ao amin’ny faritra Ambararatabe iny ireo omby. Tampoka no nahatongavan’ireo miaramila tao amin’ny tanànan’i Mahay satria alina izy ireo no tonga. Mbola teo am-pamonoana omby ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana  ny
andron’ny 28 jona. Naharitra indray andro tontolo ny fifandonana. Vokany, sarona ny dahalo niisa 7 lahy niaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Ireny karazam-basy  “Baickal”,
calibre 12 sy 16 ireny moa no tratra tany amin’ireo dahalo niaraka tamina bala maromaro sy ody gasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT