DAFn’ny ACM teo aloha

Nanaiky hanao famindràm-


  • Zoma 03 Aprily 2026

pitantanana ihany ny farany

Efa voaray ny «notification» na didy ka hiroso amin'ny famindràm-pitantanana anio ihany aho, hoy ny DAF na tale ara-pitantanana sy ara-bolan'ny ACM na «Aviation civile de Madagascar», izany hoe, fitantanana ny habakabak’i Madagasikara, teo aloha omaly. Nanao fialàntsiny ny tenany noho ny fihetsiny tamin’ny 16 martsa, izay nolazainy fa tampoka ary tsy nampoizina ka niteraka ireny fifamaliana ireny. Nanamafy izy fa tsy tafiditra amin’ny raharaha Boeing 777. Notsipihina fa ny BC na borigady mi-sahana ny heloka bevava, ny Interpol na polisy iraisampirenena ary ny FBI na «Federal bureau of investigation», izay rafi-pitandroana filaminana amerikanina no nanao fanadihadiana momba izany. Hatramin’izao ny tenako, hoy hatrany ity DAF teo aloha ity, niaro mafy ny tenany, dia tsy mbola voaantso tamin’ny fanadihadiana. Nanaiky hanao famindràm-pitantanana ihany izy, araka izany, ny farany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT