Actualités

Dada Rakoto “Mahavelona tsara ny Hiragasy”


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Mbola tena mahavelona tsara ny fiangaliana Hiragasy raha amin’izao vaninandro misy antsika izao, hoy I Dada Rakoto mpitarika ny tropy Rafarasimanga Berthine avy any Ambohimandroso nohafarana mpikarakara lanonana tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo teny Ambivihy eny amin’ny kaominin’i Soavina Atsimondrano

 

. Manodidina ny 5 alina sy 4 hetsy ka hatramin’ny 5 hetsy ariary ankehitriny ny sandan’ny fampisehoana iray ataon’ny tarika iray. Ny saran-dalana kosa dia hifanarahana amin’ny mpaka na haloany na hampiana ao anaty fifanarahana. Nomarihan’ity filohan’ny tarika Rafarasimanga Berthine ity ihany koa fa mandritra ny 1 volana maninjitra izy ireo no mianatra ireo tononkira hoentina haseho sehatra. Efa mihatanora moa ny mpikambana ao anaty tarika ankehitriny ka manomboka amin’ireo voton-jaza izany ka hatramin’ireo raiamandreny lehibe efa ampy traikefa tsara. Manodidina ny 30 isa any ny isan’ireo mandrafitra ity tarika ity ankehitriny.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT