Milaza ho matiantoka ary tsy mazava amin’ny ankamaroan’ireo mpitantana Cybercafé ao Toliara ny antony itakian’ny Omda amin’izy ireo ny lelavola 2 000 ariary isaky ny solosaina isam-bolana ka manda ny handoa io vola io ry zareo
Io no nivoitra tamin’ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao tetsy sy teroa. Raha ny fanazavan’ny talen’ny Omda, Ranjarivo Haja, tamin’ny fandalovany tao Toliara kosa, dia ho fiarovana ny zon’ny mpamorona rehetra anaty solosaina no antony tsy maintsy handoavan’ireo Cybercafé io lelavola 2 000 ariary isaky ny solosaina isam-bolana io. Didy nivoaka ny taona 2006, laharana 10-610 no mamaritra io fepetra io, saingy izao vao tena ampiharina, hoy hatrany ny fanazavany.
Hitokona
Mihenjana izany ny tady eo amin’ny roa tonta, satria milaza ireo mpitantana Cybercafe, fa tsy araka intsony ny vola mivoaka tsy maintsy haloa toy ny hofan-trano, ny jiro. Manginy fotsiny ny findangan’ny hetra alain’ny fanjakana isan-taona ary ny saran’ny “connexion”, nefa ny tsena ratsy ka fatiantoka hatrany no babena. Raha ny loharanom-baovao azo farany dia mandrahona hitokona ary hanakatona ny toeram-piasany avokoa ny tompona Cybercafé rehetra manerana ny Nosy, ny faran’ny volana izao. Izany dia ho fanoherana ilay lalàna navoakan’ny Omda amin’ny tokony hakana vola isaky ny solosaina. Nilaza ireto tompona Cybercafe sy mpitantana sendra anay, fa tokony handraisana fepetra ihany koa ireo mpampiditra hira anaty finday eny an-dalambe mitombo isa toy ny anana amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.