Manodidina ny 40.000 Ar isan’andro farafahakeliny ny vola miditra amina cybercafé iray ho an’ireo mampiasa solosaina manodidina ny folo
. Ny faran’ny herinandro sy ny Alarobia hariva no tena betsaka mpanjifa, indrindra ankoatra ny andavanandro manomboka amin’ny 4 ora hariva. Hatreto aloha, ho an’ny tanora mpianatra manokana dia ny facebook sy ny fikarohana maro samihafa no tena andanian’izy ireo ny volany eny amin’ny cyber. Toraka izany koa ireo olona manana fianakaviana any ivelany miresaka amin’ny alalan’ny skype. Mbola 20 Ar isaky ny minitra ny vola aloa amin’ny cyber amin’ny ankapobeny, misy koa anefa manao 30 Ar ho an’ireo cyber manodidina an’Analakely. Na izany aza anefa, misy ireo tsy mahazo afa-tsy 15.000 Ar isan’andro ho an’ireo mampiasa solosaina manodidina ny dimy. Misy amin’ireo olona mpanjifa mantsy no tsy mahatratra folo minitra akory no hijanonany ao amin’ny cyber raha araka ny fanadihadiana natao no sady tsy manao telechargement. Mikasika ity farany manokana, antony hampandoavan’ny OMDA vola ny cybercafé 2.000 Ar isaky ny solosaina isam-bolana dia nanambara izy ireo fa vitsiana ireo olona manao telechargement-na hira ao aminy. Iray isan’andro izany raha misy. Mbola tazonin’izy ireo hatrany moa fa hikatona avokoa izy ireo ny 30 Aogositra ho avy izao ho fanehoan’izy ireo ny firaisankinany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.