Nisavorovoro teo Anakely omaly. Manohitra ny fandaminana ataon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra amoron-dalana.
Misy ny famindran-toerana ireto farany, ka voakasik'izany ny etsy amin'ny Pavillon Analakely, ny manamorona ny Lapan'ny tanàna, ny amin'ny sisin-dalana rehetra mipaka hatrany Behoririka. Noho ny fampiharan'ny Kaominina avy hatrany ilay fanapahan-kevitra ny amin'ny tsy maintsy hanalana ireo mpivarotra amoron-dalana ka hampidirana azy any anaty tsena no antony. Taorian’ny fampahafantarana dia asa avy hatrany ny an’ny Kaominina ka nandroaka ny entan'ireo mpivarotra sy nanala ireo izay mbola nikiry hivarotra teny amoron-dalana nahazatra azy. Tezitra vokatr'izany ireo mpivarotra ka nanakana ny lalana teo ambadiky ny Lapan’ny tanàna rehefa avy nihodidina an’Analakely, nitsoka kiririoka sy nilanja sorabaventy nentiny nanehoany ny tsy hafaliany. «Tsy manda ny hafindra toerana izahay saingy mangataka ny hanemorana izany ho aorian'ny Fetin'ny 26 jona», hoy ny sasany tamin'ireo mpivarotra. «Ny fety tahaka izao mantsy no mba fotoana fikaramanay”, hoy izy ireo. Ny sasany indray dia nilaza mazava mihitsy fa tsy hiala na inona na inona hatao aminy. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany moa ny Kaominina dia nilaza ihany koa fa tsy hihemotra velively amin'ny fanapahan-kevitra efa noraisiny. Na izany aza dia notsindrian'izy ireo fa mbola vahaolana vonjimaika ihany izao noraisiny izao, miaraka amin'ny famindran-toerana ny fiantsonan’ny taksibe. Tsy maintsy hisy, hoy ny Kaominina ny vahaolana maharitra atsy ho atsy ka tokony hanaiky izany avokoa ny rehetra. Tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro tany ho any vao rava izany hetsiky ny mpivarotra teny Analakely izany rehefa nirotsaka ny mpitandro ny filaminana. Maro ireo tranombarotra nanakatom-baravarana indrindra ireo tranombarotra sinoa. Niverina nivarotra teny amoron-dalana ireo nanao fihetsiketsehana nony hariva.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.