Ny tobim-pahasalamana ambaratonga faharoa ao Milamaina Distrikan’i Fandriana izay notokanana tamin’ny zoma 04 jolay lasa teo no anisan’ireo asa namboarin’ny FID nampiasana vy ho akora fototra amin’ny fanaovan-trano
Fanatsarana ny trano sy fanamboarana fantsakan-drano, kabone, efitrano fidiovana, fanariam-pako ary trano kely hatao fandanjana zaza (PNNC/ONN) no asa natao. Mitentim-bidy 146 tapitrisa Ariary ny lany tamin’ny asa rehetra izay naharitra efa-bolana. Nampiharanay ny fomba fiasa vaovao tsy nampiasaina ny hazo ho akora fototra ity fotodrafitrasa ity, hoy ny talem-paritry ny FID ao Fianarantsoa, Rakotondranaivo Yvon, vita amin’ny vy avokoa na ny varavarana, sisin’ny fitaratra, ny valin-drihana sy ny tafon-trano afaka miatrika rivodoza. Niova ihany koa ny loko mampiavaka ny asa namboarin’ny FID satria lasa miloko maitso indray izao raha manga sy mavo tany aloha mba hifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.