CSB II AMBATOFITORAHANA

Tovovavy kely 16 taona teraka kamban-telo


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Tovovavy kely tokony ho 16 taona monina ao amin'ny Fokontanin’Antanandava no teraka zaza kambana 3

mianadahy tao amin'ny CSB II Ambatofitorahana. Milanja eo amin'ny 2kg500 ny iray, raha 2kg kosa ny roa. Marihina fa tsy nisy ny fahasarotana teo am-piterahana ary salama tsara daholo izy 4 mianaka. Afak’omaly Alatsinainy fiandohan’ny volana Jolay tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no teraka ny zaza lahy iray raha tamin'ny 6 ora maraina teo kosa ny 2 mianadahy. Nidina avy hatrany tany an-toerana moa ny Governoran'ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomandimby Désiré sy ireo mpiara-miasa aminy nitondra fanampiana hividianana ronono hanampiana ny sakafon'ireto zaza ireto. Sambany teo amin'ny tantaran'Ambatofitorahana hoy ny ben'ny Tanana ao an-toerana no nisy tranga tahaka izao. Mirary soa ho azy 4 mianaka kely hanana ny fahasalama hatrany.
Pati
Legende : Ireto izy efa-mianaka kely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT