Actualités

CSB-1 Ambohiboromanga Ambatomanga Notoloran’ny depiote Rodin fitaovana


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Am-bolana no efa nihodina ity tobim-pahasalamana fototra eo anivon’ny fokontany Ambohiboromanga, kaominina Ambatomanga ity, izay any amin’ny 30km miala an’Arivonimamo.

 Vahoaka avy amin’ny fokontany maro manodidina no mampiasa azy. Mpitsabo iray no miandraikitra ao ary farafara vitsy sy fitaovana efa tranainy no nampiasaina handraisana ireo marary sy ny mpiteraka. Taorian’ny antso sy ny fitarainana nataon’ireo mponina any an-toerana dia nitondra tantsoroka ny solombavambahoaka voafidy teo anivon’ny distrikan’i Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin nanome herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ary nanolotra fitaovam-pitsaboana samy hafa ho an’ity tobim-pahasalamana ity. Efa an-taonany ity tobim-pahasalamana ao Ambohiboromanga ity no vita saingy ny olan’ny fampitaovana no tsy nahafahany nihodina ara-dalàna. Mamonjy any amin’ny renivohitry ny kaominina, mandeha lalana hatramin’ny 20km, izay marary na hiteraka hany ka maro ny aina efa nafoy noho izay fahalavirana izay, raha ny fanazavan’ireo mponina.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT