Olona an’arivony hatrany isan-taona no mitondra faisana vokatry ny loza voajanahary eto amintsika.
Voakasik’izany ny mponina eny amin’ny faritra iva izay miaina anaty rano hatrany rehetra fotoam-pahavaratra vokatry ny fahatsentseman’ny lakan-drano sy ny fananganana foto-drafitrasa tsy ara-dalana any anaty tanana. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hiara-kiasa sy hifanome tanana hahafahana mampihena ny fiantraikan’ny loza voajanahary eto amintsika ny fikambanana Croix rouge Malagasy sy ny Croix rouge Allemande. Nisy omaly ny atrikasa izay notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ary ny sampana mpamonjy voina. Fanatevenana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny mpikambana no tena natao tamin’izany hiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra. Hisy koa ny tetikasa maharitra hotanterahin’izy ireo hiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany ka anisan’ny mety hahazo izany ny Boriborintany voalohany sy fahaefatra izay misy tondra-drano hatrany rehefa fotoam-pahavaratra. Olona manodidina ny 25.058 no mety hahazo tombontsoa amin’izany, raha haharitra 33 volana kosa ilay tetikasa. Ankoatra ity resaka fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra ity dia fantatra ihany koa fa hiara-kiasa hiatrika ireo loza hafa mety hitranga toy ny hain-trano, ny trano mianjera…. ihany koa ny roa tonta.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.