Croix rouge Malagasy

Sarotra ny mamonjy voina any amin’ny faritra saro-dalana


  • Zoma 30 Mey 2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

andro manerantany ho an’ireo Vokovoko mena na «Croix rouge», izany hoe, ny datin’ny 8 may noho ny lamina anatiny teo anivon’ny «Croix rouge malagasy». Miahy ny mahaolona amin’ny lafiny samihafa ny Vokovoko mena, hoy ny fanazavan’i Rasoloherivelo Andrianantenaina, mpandrindra nasionalin’ny fandaharan’asan’ny Vokovoko mena malagasy, satria raha jerena ny dingana nolalovana hatramin’ny niorenany ka hatramin’izao dia marobe ireo olana nosedraina. Toy izany koa, hoy izy, ireo sakana nefa tsy nataonay nahakivy izany fa banjinina hatrany ny tanjona dia ny fanampiana ny olona amin’ny voina sy krizy samihafa. Miisa 10.000 mahery ireo mpilatsaka an-tsitrapo manerana ireo faritra miisa 23 ao anatin’ny Vokovoko mena malagasy. Misehatra izahay amin’ny lafiny vonjy voina sy vonjy taitra fa manana departemanta toy ny rano, fidiovana sy fanadiovana. Eo koa ny BNGRC na fitantanana ny loza sy tandindon-doza. Eo koa ny resaka fahasalamana. Efa somary mivelatra koa izao satria eo indrindra ny fiarovana ny olona amin’ny ankapobeny. Ny tena manano-sarotra dia ny fijerena ireo faritra somary misintaka satria marina fa manana mpilatsaka an-tsitrapo miparitaka ny Vokovoko mena malagasy fa ny manenjika ireny faritra ireny, indrindra, amin’ny fanim-potoanan’ny krizy, toy ny rivodoza na fandalovan’ny ranobe dia somary sarotsarotra ny midina any amin’ireny faritra sy toerana saro-dalana ireny. Sarotra ny mamonjy voina any amin’ny faritra saro-dalana. Marina fa manana ny fahaleovantenany fa eo amin’ny lafiny ara-bola koa satria betsaka ny andraikitra sahaniny dia misy mpiara-miombon’antoka maromaro ny Vokovoko mena izao. Eo ny «Croix rouge française», ny «Croix rouge allemande» na manerantany, ny «Croix rouge britannique», ny «Croix rouge luxembourgeoise». Ireo hatreto no mpanohana ny asan’ny Vokovoko mena malagasy ary antony mbola mampanano sarotra ny asa manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT