CROIX ROUGE MALAGASY

Nampahafantatra ny asany, nanofana mpanao gazety


  • Talata 30 Janoary 2024

Miandoha ny taona vaovao 2024. Betsaka ireo adidy miandry sy asa tokony hotanterahina

manoloana izany indrindra fa ho an’ireo miantsehatra mivantana amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny andavanandro. Tsy diso anjara amin’izany ny fikambanana Croix Rouge Malagasy izay nampahafantatra ny asany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Anjary Hotel Tsaralalana omaly. Raha araka ny fanazavan’Atoa Antsa Mirado, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana dia ny hanamaivana ny fanaintainan’ny mpiara-belona no tena tanjon’izy ireo. Asa voalohany tanterahiny ny famonjena voina hahafahana miaro ny aina, tsy hanavahana sokajy na saranga. Eo ihany koa ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza arahin’ny fanentanana sy fizarana fitaovana eny amin’ny Fokontany. Nohararaotin’izy ireo nandritra izany ny nanome fiofanana ny mpanao gazety momba ny vonjy voina voalohany.Rehefa misy korontana mantsy hoy Atoa Antsa Mirado dia eo foana ny fikambanana Croix rouge sy ny mpanao gazety. Tao anatin’ny korontana mialohan’ny fifidianana farany teo ohatra dia notsiahiviny fa miisa 3 teo ho eo ireo mpanao gazety naratra. Nomeny traikefa momba ny fihetsika tokony hataony araka izany ny mpanao gazety raha sendra maratra na tojo olona maratra na misy zavatra mipoaka. Ahoana ny fihetsika tokony hatao mandrapahatonga any amin’ny tobim-pitsaboana ho fiarovana ny aina. Fantatra moa fa miisa 10.333 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo an’ny fikambanana manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Tsy mifanitsaka andraikitra amin’ny sampana mpamonjy voina izy ireo na ny birao mahaleo tena misahana ny loza voajanahary fa manao tantsoroka sy manampy azy ireny kosa saingy tsy azon’ny fanjakana baikoana.
Pati
Legende : Santionany tamin’ny fiofanana nomena ireo mpanao gazety izay narahina fampiharana avy hatrany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT