CROIX ROUGE MALAGASY

Nahazo famatsiam-bola 7,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Governemanta Britanika


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Nahazo famatsiam-bola mitentina 7,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Governemanta Britanika

ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy. Sambany no nahazo izany izy ireo entina hanofanana ny fiaraha-monina amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Toraka izany koa ny fiatrehana ny rivo-doza. Vokatry ny fiaraha-miasany tamin’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC no nipoiran’ny hevitra sy nahafahana nijery ireo faritra lasibatra tena mila fanampiana. Olona manodidina ny 609.625 no ezahina hahazo tombontsoa manerana ny Fokontany miisa 92. Faritra 3 amin’ny 24 misy no fantatra fa hiasan’ny tetikasa mandritra ny 3 taona ka anisan’ny hatao laharam-pahamehana amin’izany ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe raha araka ny fanazavan-dRtoa Andoniaina, Sekretera jeneraly eo anivon’ny Fikambanana. Tsiahivina fa anisan’ny fikambanana miasa eny ifotony ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy izay manana mpilatsaka an-tsitrapo mihoatra ny 10.000 isa. Ankoatra ny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro dia hiasa ho an’ny mponina momba ny fahasalamana, ny trano fonenana, ny resaka sakafo, ny rano fisotro madio….ihany koa izy ireo. Nanatanteraka atrikasa teny amin’ny Hotel IBIS Ankorondrano izy ireo omaly.
Pati
Legende : Rtoa Andoniaina, sekretera jeneraly eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT