Actualités

Croix Rouge Malagasy Mikatsaka ny fahaleovantenany


  • Zoma 26 Febroary 2010

Manatanteraka fikaonan-doha mandritra ny roa andro miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy avy any ivelany ny Croix Rouge Malagasy.

 

Nandefa solontena eto avokoa ny Cicr, ny Ficr ary ireo Croix Rouge avy any Espana, Frantsa, Norvezy ary Kanada. Mandritra ity fotoana ity no anaovana tomban’ezaka ny zava-bita nandritra ny efa-taona nitantanan’ny ekipa ankehitriny ny Croix Rouge malagasy sy anapahana ireo asa hosahanina mandritra ny efa-taona manaraka. Raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Croix Rouge Rakotondranja Claude dia  laharam-pahamehana amin’ny fifampidinihana ny fikatsahana izay fomba ahafahan’ny Croix Rouge malagasy manana ny fahaleovantenany amin’izay fa tsy hiankin-doha hatrany amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny. Hatramin’izao tokoa mantsy dia fanampiana avy amin’ny fikambanana sy fanomezana avy amin’ireo olon-tsotra malala-tanana no ahafahany miasa.
Hanamarika ny taona 2010 ho an’ny Croix Rouge Malagasy ny fanatanterahana ny fifidianana izay filoha vaovao hitantana azy satria tapitra amin’ity taona ity ny fe-potoana itondran’ny filoha amperinasa ankehitriny. Raha namaritra ireo asa tontosaina amin’ity taona 2010 ity kosa ny Sekretera jeneraly, Ratsimbazafy Fanja dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo vondron’olona sahirana sy marefo any amin’ireo tanàna lavitra andriana. Hohatsaraina sy hohamafisina ihany koa, hoy izy ny ady amin’ny tazomoka sy ny «chikungunya» ary ny fanomezana rano fisotro madio.
 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT