CROIX ROUGE MALAGASY

Hampita ny traikefany amin’ny famonjena ireo tra-doza


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Betsaka ireo olona tra-doza eny rehetra eny isan’andro. Ankoatra ireo torana fa tsy nisakafo maraina na koa lasibatry

ny aretina dia misy ireo voadonan’ny fiarakodia na moto tampoka eny am-pandehanana eny. Mialohan’ny hahatongavan’izy ireny eny anivon’ny hopitaly anefa dia ilaina ny fanaovana vonjy voina ho an’ny tra-doza mba tsy sanatria hahavery ra be azy loatra eny an-dalana….Hampita ny traikefany momba ny vonjy voina voalohany ho an’ireo olona tra-doza ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy. Etsy amin’ny Hotel de ville Analakely no hanatanterahany izany ny datin’ny 08 May ho avy izao izay marihina fa tena tadiavin’ny olona maro tokoa no sady handoavam-bola raha ilana fiofanana manokana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy sy ny Croissant Rouge ity hetsika ity ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Koloy hiaina ny mahaolona. Arahina fitiliana maimaim-poana ny aretina diabeta izay hiarahana amin’ny A.MA.DIA ny hetsika. Hisy ihany koa ny fanomezan-dra maimaim-poana. Hampahafantatra ny andraikitra sahaniny amin’ny mpiara-belona ihany koa ity Fikambanana ity mandritra izany.
Pati
Legende : Hampianatra maimaim-poana momba ny fandraisana an-tanana voalohany ireo olona tra-doza tahaka izao ny Fikambanana Vokovokomena Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT