Actualités

CRINFP Namoaka mampianatra «chômeurs» 1280


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Nifamotoana eto Antananarivo ny solontenan’ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny AECM (Association des Enseignants du Collčge de Madagascar) “promotion 2010” avy any amin’ny Faritra 19 misy CRINPF hitaky amin’ny fanjakana mahefa ny hamoahana haingana ny taratasy fanendrena azy ireo hiasa any amin’ny sekolim-panjakana (CEG) manerana ny Nosy.

Efa tamin’ny taona 2011 izahay no nahavita ny fiofanana tao amin’ny INPF, hoy ny filohan’ity AECM ity, Andriamahefanirina Zafindraibe Jean nitarika ny fitafana tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina omaly, ary samy nampanantena ny hanendry anay hiasa daholo ireo minisitra efatra nifandimby hatramin’ny tetezamita  no ho mankaty : Razafimanazato, Rabenirina Jean Jacques, Manoro Régis ary Paul Rabary, nefa nijanona ho fampanantenana fotsiny izany hatramin’izao na dia nodradradradraina hatao laharam-pahamehana aza. Marihina fa tsy afa-mampianatra any amin’ny sekoly tsy miankina ireto mpampianatra miisa 1.280 ireto fa efa ho mpiasam-panjakana no nanofanana azy. Miandry anay ny zaza malagasy tena mila fahalalana, hoy ireto mpampianatra FRAM taloha ireto, fa ny hampakarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika no nidiranay hiofana tany amin’ny Ivontoerana fampiofanana manerana ny Nosy. Sao dia mifarirotra amin’ny handoavana karama manara-penitra ho an’ireo mpampianatra ireto aza ny fanjakana ka aleony ihany mody fanina amin’ny fanakaramana mpampianatra Fram tsy mbola nahazo fampiofanana pedagôzika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT