« COURSE KALESY » ENY ALAKAMISY FENOARIVO

Miala tsiny amin’ny mpampiasa lalana ny Ben’ny tanana


  • Talata 25 Jona 2024

Miala tsiny sahady amin’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena voalohany izay fananana iombonana

ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alakamisy Atsimondrano Andrianaivo Rakotobe Christian fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Boni omaly. Toy ny fanaony isan-taona mantsy dia hanatanteraka ilay fifaninana course kalesy indray ity kaominina ity manomboka anio Talata 25 Jona ka hatramin’ny rahampitso Alarobia 26 Jona. Isan-kariva eo anelanelan’ny amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 06 ora no hanatontosana izany, hetsika izay hiarahan’ny kaominina miasa amin’ny mpitandro ny filaminana. Hisy mandritra izany ny fifaninana kalesy tsara indrindra raha tsy hanavahana taona kosa ny fifaninana. Tamin’ny taon-dasa raha tsiahivina dia nisy olon-dehibe 42 taona tonga nandray anjara tamin’izany raha ankizy sy tanora vao herotrerony kosa ny ankamaroany. Hisy ihany koa moa ny fifaninanana tsipy kanetibe sy basket baolina mandritra ireo roa andro ireo saingy amin’ny toerana efa voatokana kosa. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona avokoa izany rehetra izany.
Pati

Legende : Hafana tahaka izao ny course Kalesy eny Alakamisy Fenoarivo eny manomboka anio Talata 25 Jona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT