Ny lalŕna fitsipika taona 2008 no nandalo teo anatrehan’ny «Cour des Comptes» ary nankatoavin’ity rafi-pitsarana manara-maso ny fampiasana ny volam-panjakana ity farany. Efa nalefa any amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tatitra mikasika izany ary tsy ho ela dia ho tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ihany koa izy io, araka ny fanazavan’ny filohany Randrezason Théodore William
Tsy maintsy hampifanarahana amin’ny zava-misy ankehitriny anefa ny tatitra voalaza ao, hoy ny fanampim-panazavany. Raha ny voalazan’ny didy aman-dalàna dia tsy maintsy tonga eo am-pelatanan’ny rafitra mpanara-maso farafahatarany ny volana septambra ny taona manaraka ny antontan-taratasy avy amin’ny ministeran’ny Fitantananam-bolam-panjakana mikasika ny fampiasam-bola. Manana 12 volana kosa handinihana, hitsarana sy hamoahana tatitra ny «Cour des Comptes». Fanamarihana avy amin’ity rafitra fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana ity moa ny tsy mbola nahazoany ireo dosie avy amin’ny ministera tompon’andraikitra mikasika ny fampiasam-bola nataon’ny fanjakana nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny taona 2013. Nahitana fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina 54 miliara ariary moa tao anatin’ny 10 taona nanatanterahana ny asa fanaraha-maso ny fampiasam-bolam-panjakana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny «Inspection Générale de l’Etat». Misy karazany kosa ireo sazy miandry ireo mpanodikodim-bolam-panjakana ka anisan’izany ny famonjana 5 taona an-tranomaizina sy ny famerenana ny vola naodina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.