Misy olona 5 vaovao voamarika fa mitondra ny valan’aretina, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Olona 17 izany no mitondra izany amin’izao fotoana iza, ary arahi-maso akaiky ny fitsaboana.
Tsy mbola nisy ny namoy ny ainy. Ny ankamaroan’ireo nipetraka teo akaikin’ilay iray voa tamin’ny voalohany tao anatin’ny sidin’ny Air France AF 934 ireo voa. Olona 145 no nandray io sidina io. Nojerena hoe ao an-trano sa tsia. Nojerena tamin’ny “géo-localisation” hoe ao amin’ny toerana tokony hisy azy sa tsia. 22 tsy namaly mihitsy ny antso. Efa nisy 7 nitolo-batana anefa, taorian’ny antso avo. Ny iray dia tsy hita. Afaka andro vitsy dia hahazo ny “test rapide” isika satria teo aloha dia mbola miandry. Ho avy amin’ity herinandro ity ny entana na “cargo” avy any amin’ny Firenena Mikambana, ka ho 20minitra dia hita ny valin’ny fitiliana. Ao anaty “stade 1” hatrany I Madagasikara ary tsy mbola nisy maty, fa ny stade 2 dia misy olona mihoatra ny 300 hatramin’ny 500 voa. Raha vao izay stade 2 izay, dia tsy misy fifezivezena azo atao manerana ny Nosy. Mbola ny mpiasam-panjakana aloha no naato noho izay, fa afaka miasa kosa ny tsy miankina. Ananantsika ny fanafody nahomby tany Chine. Nandray ny “kits medical” ihany koa. Hisy maska aman’hetsiny hozaraina maimaimpoana ho an’ny mpitandro filaminana, mpiasan’ny fahasalamana, mpiasam-panjakana mety mila izany,... TOEKARENA SY SOSIALY Efa nandray ny andraiikiny ny eo anivon’ny fanjakana. Nisy ny tsena mora, izay niaraha-nahita fa somary tsy voahaja ny elanelana tokony ho iray metatra. Afaka 3 andro, dia hisy ny tosika manokana ho an’ny mpamongady hifehezana ny vidin’entana. Misy ny fitiavan-tena fa vao nanao fanambarana aho dia misy ny manana entana fa nafenina hahafahana mampiakatra, hoy ny Filoham-pirenena, izay maneho fa tsy azo ekena ny fanararaotana. Toky
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.