Actualités

« Corail de Mer » ao Tolagnaro Trandrahan’ny Sinoa


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Tsy misy dikany amin’ireo mpitrandraka ny tangoaraky (corail de mer) ny fanapahan-kevitra na ny didim-pitondrana navoakan’ny fiadidian’ny faritra Anôsy vao tsy ela akory izay. Iaraha-mahalala fa nisy ny fandrarana ny fitrandrahana azy ity, saingy izany no vao mainka nandrisika ireo mpivelona amin’izy ity

Saika teratany sinoa no mitarika sy miketrika ny fakana an-tsokosoko ny Tangoaraky. Anisan’ny lafo vidy izy io ary dia manan-karena tampoka izy ireo sy ny mpiara-miasa aminy. Tao amin’ny helo-dranomasin’i Tôlagnaro izy ireo tany am-piandohana ary nahita an-taonina maro. Nandositra tany amin’iny faritra Androy iny indray rehefa voaporofon’ny mpitondra any Anôsy ny fisian’ny tangoaraky tao. Araka ny efa nambara teto, zava-maniry any anaty ranomasina lalina any amin’ny 30 metatra izy io. Fitaovana arifomba no akana azy. An-taoniny maro no efa voatrandraka ary volabe no nanjavona. Marihina fa misy ireo tra-tehaka, ao ireo efa lasa an-tsokosoko any ivelany. Rehefa voakotaba tany Androy indray ireto mpitady tangoaraky ireto, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny faritra any an-toerana , niverina nianavatra amin’iny tapany avaratry ny distrikan’i Tôlagnaro Anôsy iny. Voalaza moa fa misy tompon’andraikitra ambony any Anôsy any no miray tendro sy miray tsikombakomba amin’ireo teratany sinoa ireto. Maherin’ny 50 taonina no mbola miafina miandry ny fanondranana azy amin’ny sambo. Raha mitohy izao dia ho lany tamingana ny harena anaty ranomasina ary tsy hisy intsony ny « langoustes » satria amin’ity tangoaraky ity no manatody ny oratsimba. Ilaina ny fanadihadiana sy ny fampiharana ny lalàna

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT