Mifanaraka amin’ny volabe laniana ve ny vokatra ?
Isan’ny nanamarika ny herinandro lasa teo, ary mitohy amin’ity herinandro ity ny fisian’ilay fivoriambe maneran-tany momba ny fiovaovan’ny toetr’andro tanterahana any Dubaï. Ny 30 novambra izy io no nanomboka, ary ny 12 desambra vao ho tapitra tanteraka. Isan’ny nanamarika izany ho antsika Malagasy ny nandraisan’ny Filoha nambaran’ny HCC fa voafidy na dia amin’ny 16 novambra aza vao tena hapetraka amin’ny fomba ofisialy ho Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana sy fianianana manetriketrika. Nilaza moa ny Fanjakana avy eo fa isan’ireo olona nasaina manokana tao anatin’ny COP28 i Andry Rajoelina, ary tsy nitarika ny delegasionina. Nivoaka indray ny lisitra voalaza fa avy amin’ny Firenena Mikambana, ka mahatratra 87 ireo delegasionina Malagasy ao anatin’izany, ka tao anatin’ny lisitra dia teo amin’ny laharana faha-3 no nisy an’Atoa Andry Rajoelina. Mampametra-panontaniana avy hatrany hoe : nanao inona tany daholo izany delegasionina tsy toko tsy forohana izany ? Tena niasa sa nitsangatsangana ny ankamaroany ? Mifanaraka amin’ny fandaniana ve ny tamberiny ho an’ny firenena ? Raha ny kajy ambany tsotsotra, eo amin’ny 300 dolara isan’olona isan’andro eo ny « indemnité » ho an’ny olona manao iraka any ivelany tahaka izao. Raha kajiana ho 12 andro eo, dia mahatratra hatrany amin’ny 313 200 dolara na 1 409 400 000Ar eo raha 4500Ar ny dolara iray ny vola lany amin’ny resaka tambiny fandehanana. Marina fa mety misy fiantohana ataon’ny mpampiantrano fa tsy maintsy misy ny vesatra goavana nobatain’ny Fanjakana tao anatin’izany. Mbola tsy tafiditra ao anatin’io ny resaka saran’ny fitaterana, ny hofan’ny fandraisam-bahiny,… Moa tsy zary lasa fanesoana ny Malagasy hoe : ny valalabemandry eto mitrongy vao homana, matin’ny hanohanana, mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny fidangan’ny vidim-piainana,… fa ny mpitondra mbola mahavita manao izay tiany, manao fandaniana mihoampampana, miliba amin’ny volam-bahoaka,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.