Actualités

Consulat de France Ambatomena. Misy mpibizina toerana rehefa maka Visa


  • Talata 02 Septambra 2014

Andron’ny fialantsasatra tokoa amin’izao fotoana eto Madagasikara. Araka izany dia betsaka ireo olona no mitady toerana aleha mba hitsangantsanganana. Ho an’ny manan-katao dia tsy vitsy ireo mikasa ny hivoaka any ivelany.

Tranga sady mampalahelo no mahamenatra ihany no hita etsy Ambatomena toerana hangalana visa satria dia misy andian’olona mitady vola  amin’ny fomba hafahafa . Olona miisa telo  mantsy no mikarama miandry laharana eny  ka rehefa misy ny  maika sy tsy mahatanty mijoro ela dia izy ireo no  manolotra toerana. Tsy maimaimpoana anefa izany fa misy ny takalony iray alina ka hatramin’ny roa alina ariary. Noho izany dia betsaka ireo  mitaraina satria  efa misy ny sasany amin’izy ireo no miaritra eo mandritra ny ora maromaro  kanefa ny hafa tsy milahatra akory dia mahazo visa. Araka izany dia mangataka ireo olona eny mba hijeren’ny tompon’andraikitra voakasika  ity tranga ity  fa dia miha mahazo vahana indray ity bizina hafahafa ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT