Nanamafy ny firaisankinany amin’ny vahoaka Malagasy ny Consul Général Honoraire de Monaco, Cyril Juge. Toy ny fanaon’ity masoivoho ity isan-taona nanomboka tamin’ny taona 2010 dia tonga teny Andavamamba Anatihazo I, iray amin’ireo Fokontany 10 voatsonga tamin’ity taona ity hanaovana asa soa ny tenany omaly nanolotra bodofotsy miisa 150 ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona.....
Tanjon’ny masoivohon’i Monaco ny hitondra ny anjara birikiny amin’ireo Fokontany 192 misy eto Antananarivo Renivohitra. Mahatsapa moa ity vahiny ity fa tena lalim-paka ny fahantrana eto Madagasikara na dia manana ireo karazana harena tsy hita pesipesenina aza ny firenena Malagasy. Olana amin’ny fampandehanan-draharaha no antony lehibe mahatonga izao trangan-javatra izao, raha ny fomba fijeriny. Ny sefo fokontany Andriamaneva Herdimann kosa dia maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ampahany amin’ireo ankizy ihany moa no nahazo anjara lamba firakotra amin’izao andro ririnina mamirifiry izao na dia maro aza ireo sokajin’olona mbola mila fanampiana tahaka izao avy amin’ireo malalatanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.