Fotoan-dehibe hafa foana indray. Nisy ny filankevitry ny ministra mpikambana eo anivon` ny vaomieran` ny Ranomasimbe Indianina (COI) ny zoma lasa teo ka tapaka fa hahemotra amin` ny fotoana manaraka ny fihaonamben` ireo filoham-pirenena sy governemanta, andiany fahadimy,
eto Antananarivo ny 25 jona izao. Izany fivoriambe izany dia niniana natao hifanindry an-dalana amin` ny fankazalana ny faha-60 taonan` ny fahaleovantenan` i Madagasikara saingy noho ny valanaretina Covid-19, dia voatery naato. Marihana fa ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, dia nasaina manokana aorian` ity fivoriambe ity ho filoham-boninahitra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona. Hatreto dia tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahina ny fihaonamben` ny COI. Ny fampitaham-baovao ihany koa dia tsy mamaritra raha hihaona amin` ny alalan` ny aterineto (visioconférence). Ny zoma lasa teo, dia nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana ny mpikambana eo anivon` ny filankevitry ny ministra, tamin` ny alalan` ny “visioconférence” handinihana ny aretina Covid-19.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.