Actualités

« Cocarde » eny amin’ny fiarakodian’ny Depiote Fiara tokana ihany no azo asiana azy


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

Maro ankehitriny ny fiara mivezivezy manerana ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra rehefa misy fotoam-pivorian’ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ahitana ny saina kely mirehitra jiro amin’ny alina miranty eo amin’ny fitaratra anoloana na ny « cocarde ».

Azo antoka fa tsy dia ho sahin’ny mpitandro ny filaminana sakanana loatra ny fiara misy an’ireny « cocarde » ireny na dia olon-kafa ankoatra an’ireo solombavambahoaka aza no mitaingina ao anatiny. Rehefa nametrahana fanontaniana ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izay tompo-mariky ny fandraharahana eo anivon’ity andrim-panjakana ity dia nanambara fa ny fiara mitondra ilay depiote ihany  no tokony hisy  an’io « Cocarde » io fa raha tsy ao izay dia tokony hahohoka na saronana tahaka ny kintana misy eo anoloan’ny fiaran’ny manamboninahitra jeneraly amin’ny tafika rehefa tsy izy no ao anaty fiara. Lalàna efa nipetraka hatry ny ela tokoa izany fa eto amintsika ho’aho hafa ihany ! Mariky ny fananam-pahefana ireny ka na i dada aza no depiote dia manam-pahefana miaraka aminy avokoa ny ankohonany rehetra rehefa anatin’ireny fiara ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT