Actualités

CNTEMAD Hamerina ny hasin’ny diplaoma avoakany


  • Talata 07 Jolay 2015

Hamerina ny hasin’ny diplaoma mivoaka ao aminy ny sekoly hampitain-davitra CNTEMAD. Fanamby apetraky ny tale jeneraliny vaovao Djohary

 

Andrianambinina io amin’izao fandraisany ny toerana maha tale azy  izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana arofanina ny diplaoma mivoaka ao amin’ity sekoly ambony ity mba hanana ny maha izy azy tokoa fa tsy sanatria gaboraraka. Ankoatra izay dia hitondra asa  fanaovana eo anivon’ity sekoly ambony iray ity ihany koa i Djohary Andrianambinina.  Anisan’izany, ohatra, ny tsy hisian’ny filaharambe intsony ho an’ireo mpianatra manovo fahalalana ao aminy rehefa handoa saram-pianarana na hanoratra anarana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo mantsy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo aminy sy ny orinasam-pifandraisana Telma mba hahafahan’ny mpianatra mandoa izany amin’ny alalan’ny M vola. Hihatra manomboka amin’ny faran’ny taona any ho any io fiaraha-miasa vaovao io arahin’ny fisokafan’ny fampianarana fohy na cycle cours ao anatin’ny telo volana monja izay hahazoana mari-pankasitrahana na certificat. Toraka izany koa ny fiitaran’ny lalam-piofanana arahina toy ny informatika sy ny communication.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT