Misy ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ( Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques) manasitrana ny sotrir’aretina mifanakaiky
amin’ny coronavirus izay natokana ho an’ireo efa ahitana izany soritr’aretina izany ihany aloha. Anisan’ireny ireo misy fanaviana be, gripa miaro aretin-tenda, fanaintainana amin’ny vanin-taolana, koho-maina….Evoka miampy vaseline niaoulee no hampiasaina amin’izany ankoatra ny kininin-drano sy kininim-potsiny hanaovan’izy ireo fanadihadiana sy famokarana manokana hahatonga azy ho ivon-toerana filamatra amin’ny famokarana fanafody vita amin’ny zava-maniry eto amintsika. Hanohana ny Cnarp akaiky ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika izay miahy azy mivantana manomboka izao noho ny ezaka hataon’izy ireo. Raha ampy fitaovana ara-dalana mantsy ny Cnarp dia nambaran’ireo tompon’andraikitra ao aminy fa ho afaka hamokatra fanafody iadiana amin’ny sorotr’aretina coronavirus 2.000 isan’andro ho fanampiana ny mpiara-belona. Nanaovan’izy ireo andrana tamin’ny biby toy ny voalavo, bitro voalavo… moa ny fanafody novokariny izay vao nampitaina tamina ivon-toeram-pitsaboana olombelona ary hita fa nahomby izany. Karazam-panafody miisa 15 hatreto no efa nahazoany alalana ho azo hamidy eny amin’ireo tsenam-panafody eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.