CNaPS

Voatendry ho Tale Jeneraly i Soatiana Betty Leonne


  • Zoma 14 Aogositra 2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Caisse Nationale de Prévoyance Social) Ramatoa Florent Soatiana Bety Léonne, araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly. Tsy vahiny amin’ity rafitra ity izy, satria efa nitana ny toeran’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana teo aloha tao anatin'ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo, Minisitera izay mpiahy ny CNaPS. Nandritra ny fitantanany dia nisy fanavaozana lehibe teo amin’ny sehatry ny tombontsoa ara-tsosialy, indrindra ny volan-jaza izay niakatra avy amin’ny 7 000 Ariary ho 10 000 Ariary, fiakarana 42%.Tamin’ny fitsidihany ny biraon’ny CNAPS teny Ampefiloha ny 20 Novambra 2025, dia nanambara ihany koa izy fa 90 000 Ariary no vola ho an’ny vehivavy bevohoka, ary 120 000 Ariary ho an’ireo mpitaiza kely. Mahatratra 273 000 moa ny isan’ireo mpisitraka manerana an’i Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakany tamin’izany fotoana. Notsiahiviny fa efa ela no tsy nisy fanavaozana lehibe ny sandan’ny volan-jaza, ka napetraka ny paikady hanatsarana mivantana ny fiainan’ny vahoaka sy ny famahana olana ara-tsosialy. Ankehitriny, amin’ny maha-Tale Jeneralin’ny CNAPS azy, dia hiverina hitantana mivantana ny rafitra izay efa nosahaniny tamin’ny maha-minisitra azy i Florent Soatiana Bety Léonne, ka andrasana izay mety ho rivi-baovao sy ny fanavaozana entiny eo amin’ny sehatry ny fiarovana ara-tsosialy sahanin'ny CNaPS izay am-bolana maro tsy nisy Tale Jeneraly
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT