Actualités

CNaPS Hanakaiky hatrany ireo olona marefo


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Hanakaiky hatrany ireo olona marefo sy sahirana ara-pivelomana, indrindra fa ireo mpikambana ao aminy mila fanampiana amin’ny fiatrehana ny fiainana ny CNaPS.

 

Nandritra ny fanokanana tamim-pomba ôfisialy n ny ivon-toerana haino aman-torolalana na ny  (Centre d’Ecoute et d’Orientation), an’ny tahirim-pirenena CNaPS etsy amin’ny 67 ha no nahafantatra izany omaly.  Nohazavain’ny  tale jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul nandritra izany  fa na dia mitsinjo ireo olona sahirana aza izy ireo dia hisy ny mason-tsivana hahafahana mandray ireo tena mila fanampiana sy fanohanana manokana. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa niteraka kambana ohatra nefa tsy ampy vola hividianana ronono, Ireo  tratra ny loza eo am-perinasa ka tsy afaka miasa intsony, raha tsy latsa-danja amin’ireo ireo mpiasa maty vady, loza  nitranga vokatry ny fiatrehana ny asa, ireo manana fahasembanana … Marihina moa fa nanatanteraka fifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny sekoly ambony ISTS  manofana ho lasa mpiasa amin’ny fiahiana ara-tsosialy, ny Arovy Ny Marary ny CNaPS omaly hahafahana mijery ireo olona tena mila fanampiana. Notanterahina  omaly i 29 Septambra ihany koa moa ny varavarana misokatra nentina nampahafantarana ny tahirim-pirenena CNaPS sy ny asa sahaniny saingy teny Ampefiloha indray no nanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny   famaranana ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny CNaPS moa izany rehetra izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT