Actualités

Clément Jaona Filohan’ny SMM Eddy irery angaha no nanao boaderozy?


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Voatohintohina sy tandindonin-doza ny fahaleovantenan’ny Fitsarana, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Atoa Clément Jaona omaly.

 

 

  Mpitsara 3 mpamoaka didy no naaton’ny Minisitera tamin’ny asany ny herinandro lasa teo, izay mbola tsy hay na hiakatra filankevi-pifehezana na tsia.  Ny Filohan’ny Fitsarana mpandrava didy (Cour de cassation), dia naato noho ny famoahana didy mikasika an’I Eddy Boaderozy. Raha raharaha boaderozy, dia I Eddy irery ve no tokony higadra amin’izany? Matoa ny Fitsarana mpandrava didy dia misy antony, ary misy fandikan-dalàna hitan’izy ireo tamin’ilay didy noravana. Raha resaka lisitry ny olona nanao aferana boaderozy, dia any amin’ny Praiminisitra teo aloha Atoa Jean Omer Beriziky ny lisitra fa izaho tsy manana, hoy ny Filohan’ny SMM. Firy ny olona nanao boaderozy teto kanefa olona iray no gadraina? Hoy ny fanontaniany. Ny tao amin’ny Fitsarana ambony, dia namoaka ny rahalahin’I Lama zandary niasa tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Niasa foana io olona io nandritra ny fanenjehana ka nahoana ary io no tsy naato? Tsisy  vesatra tokony hitazonana azy rehefa nojeren’ny mpitsara mpamoaka didy? Faharoa dia namoaka ny zaobavin’I Lama izay nitaiza kely. Tafiditra tao anatin’ilay naoty navoakan’ny Minisitera momba “désengorgement de prison” na fampihenana ny fivangongoana ao am-ponja ireo ka malalaka ny mpitsara handanjalanja hoe misy vesatra sa tsisy. Voatohintohina ny mpitsara mpamoaka didy, ary mitebiteby lava. Misy didy raikitra tokony hotanterahina kanefa tsy tanterahina. Misy aza milaza hoe: izahay tsy hanatanteraka ny didy fa mpitsara mpanao kolikoly no namoaka an’io. Endriky ny tsy fanatanterahana tany tan-dalàna ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana, hoy I Clément Jaona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT