Milaza ny hitarika fitokonana indray ireo mpitarika ny Fikambanan’ny “Taxi” Antananarivo Renivohitra (FTAR), tarihin’i Clémence Raharinirina manomboka ny zoma 27 oktobra ho avy izao.
Ny hanohitra hatramin’ny farany ny lamina sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fitaterana amin’ny alalan’ny fanomezana ny “contre visite” hiandraketan’ny OMAVET no tanjona. Ambara fa bemarenina hatrany ny kaominina, kanefa ireny niaraha-nahita ireny ny antso sy ny fifampiresahana natao, saingy ireo mpitarika ny FTAR vitsivitsy no minia manoha riana, ka nivoaka ny efitrano tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Hitohy ny sabotsy 28 oktobra ny fifampiresahana kenefa toa tsy te hahalala intsony izy ireo, fa ny hitokona sy hanakorontana no masaka an-doha. Ny fivoriana tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna aza moa dia nambaran’ny mpitarika ny FTAR, fa mpiasan’ny kaominina sy mpanjifa ary mpamily fiarakaretsaka vitsivitsy no nameno ny seza. Olona tsy manan-katao ve izany ireny, ka andeha handany andro amin’izany ? Ny hanakorontana sy hanohitra no tena tanjony, izay manaporofo ny resaka fikaramana an’ady hanaratsy ny kaominina no tanjona. Efa manomboka tsipahin’ny maro ny tenany ankehitriny noho izay kajikajy maloto izay. Mitaky ny hanajanonana ny asa fitsirihana fiara ho eny Antsakaviro hatrany i Clémence Raharinirina sy ny ekipany. Efa tonga hatramin’ny hoe foanana ny “visite technique” aza ny resaka. Ny mahagaga sy mahatalanjona amin’ity raharaha ity dia ny fivoizana hatrany fa mitaky ny hanilihana ny fiara sasany ny kaominina, ary mitady hampiditra fiara vaovao, izay efa nodisoina tanteraka. Efa nohazavaina ihany koa fa ny saran’ny fitsirihana hatramin’izay ihany no sarany amin’izao, fa ny kalitaon’ny asa no tsara kokoa satria manana ny fitaovana ampy ny OMAVET. Efa masaka an-tsaina kosa ny hoe hitsivalam-pandry ho an’ireto mpitarika vitsivitsy ny FTAR. Misokatra amin’ny fifampidinihina hatrany kosa ny kaominina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.