Nahazo alalana tamin’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo ny filaharambe katsahin’ny Biraon’ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra), tarihin’i Clémence Raharinirina, hatao rahampitso zoma 27 oktobra, raha ny vaovao azo.
Manentana fatratra ireo mpamily fiarakaretsaka hijoro hanohitra ny fandaminana apetraky ny kaominina izy ireo, ka hanao fitokonana miala eny Ankorondrano hihazo an’Analakely. Ny mahazendana dia ny fanomezana alalana hilahatra an-dalambe nomen’ny fanjakana. Re kosa fa hanaraka azy ireo avy aoriana ny mpitandro ny filaminana, mba hanamorana ny fihetsiketsehana sy ny fisorohana ny mety ho korontana. Manaporofo ny maha mpikarama an-dry Clémence Raharinirina hanohitra sy hanaratsy ary hamingana ny mpitantana eo anivon’ny CUA izao toe-javatra izao. Toa hampirisihina mihitsy ka nomena alalana hanakorontana ny filaminam-bahoaka. Angaha moa tsy voarara indray ny hetsika famorian’olona isan-karazany amin’izao fotoana izao ? Fivoriana anaty efitrano ataon’ny mpanohitra sy fankalazana fitsingerenan’ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tao anaty faritra mifefy aza norarana, fa ity kosa fitokonana an-dalambe (olona sy fiara), kanefa dia nomena alalana soa aman-tsara. Mazava ny teti-dratsy maloto ara-politika hoenti-manakorontana sy migafy hatrany eto Antananarivo. Miasa amina minisitera iray i Clémence Raharinirina fa ny mpamily taxi kosa no mody tarihiny mafy hanohitra ny fandaminana apetraky ny CUA. Tsy mahagaga raha tsy masi-mandidy sy tsy mahatarika ny mpisehatra rehetra intsony satria tsy adala ny olona. Efa nilaza ny fahitany ny haraitran’ny fitaovan’ny OMAVET sy ny faharesen-dahatra amin’ny fampandrosoana kosa ireo mpamily tonga nihaona tamin’ny Mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna Marc Ravalomanana omaly ka nilaza fa rahonan’ny FTAR ny naman’izy ireo. Sady mandeha izany ny fandrahonana no mandeha ny famitahana ireo mpanara-dia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.