Actualités

CLAM Hampanara-penitra ny sakafo sy ny zava-pisotro


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Fikambanana iray nijoro teto amintsika efa ho folo taona izao ny CLAM na ny « Consortium des Laboratoires Agro-alimentaires de Madagascar ».

Orinasa Malagasy maro no mpikambana ao anatiny, manana tanjona hampanaraka ny fenitra isam-pirenena amin’ireo karazana orinasa mpamokatra sakafo sy zava-pisotro eto amintsika ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.  Anisan’ny takiana amin’ny orinasa tsirairay avy ao anatin’izany ny fananana laboratoara isaky ny toerana famokarana izay hananan’ny orinasa Star tanteraka ary hita manerana ireo ivontoerana misy azy toy ny eto Antananarivo, ny any Antsiranana, Ambatolampy … Hankalaza ny fahafolo taona nijoroany ny CLAM. Anisan’ny hanohana sy handray anjara mavitrika ao ny  vondrona Star. « Journée de laboratoire » no anarana nampitondrainy ny hetsika. Etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely no hanatontosana izany ny 09, 10 ary ny 11 novambra ho avy izao. Nanambara moa ny vondrona Star fa tombontsoa maro no azony amin’ny fiarahana amin’ny CLAM, indrindra fa ny fanarahana ny fenitra farany momba ny famokarana zava-pisotro.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT