CITE AMPEFILOHA

Manakorontana ny fiainan'ny


  • Talata 11 Aogositra 2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Anisan’ny olana lehibe mbola sedrain’ireo mponina ao amin'ny Fokontany Cité Ampefiloha ny resaka fahadiovana. Manodidina ny 1 000 eo ho eo ireo mpivarotra eny amin’ireo tsena manodidina, saingy maro amin’izy ireo no tsy manana toeram-pivoahana. Manjaka vokatr'izany ny fanaovana maloto an-kalamanjana, ka miteraka loto sy fahasimbana eo amin’ny tontolo iainan’ny mponina. Tamin’ny faran'ny herinandro teo dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany sy ireo lehiben-tsena, nifantoka tamin’ny fitadiavana vahaolana amin’ireo olana ateraky ny fisian’ireo mpivarotra sy olona miparitaka eny amin’ny manodidina. Ankoatra ny resaka mpivarotra dia mañana olana amin'ny tsy fandriampahalemana ihany koa izy ireo. Raha araka ny fanazavan’ny Sefom-pokontany ao an-toerana, Rarivoson Herilala Emilien na i Baina, dia ireo olona tonga manodidina ny fokontany no tena fototr'izany. Voalaza fa misy ireo olona sasany, indrindra ireo mpangataka, izay mijanona mandritra ny fotoana maharitra eny an-toerana no ahiana ho manome toromarika na manamora ny asan’ireo mpanao hala-botry. Toraka izany koa ireo mpanao broncage sy mpifindrafindra monina manodidina ny tsena. Tsiahivina moa fa efa tonga eny anivon’ny Fokontany Cité Ampefiloha ny komity eny ifotony misahana ny fanisam-bahoaka miaraka amin’ny ekipa misahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Tsy ho an’ny fifidianana ihany anefa izany fa ilaina ihany koa amin’ny fanavaozana sy fanitsiana ny antontan-kevitra momba ny mponina. Manodidina ny 1 .189 ny isan’ny mponina voasoratra ao amin’ny Fokontany Cité Ampefiloha amin’izao fotoana izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Ety no manao maloto ny ankamaroan'ireo mpivarotra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT