Actualités

Cité Ampefiloha 50 taona nivoizana ny firaisankina sy ny fifankatiavana


  • Alarobia 18 Jona 2014

Tsy avelan’ny Fokontany Ampefiloha Cité sy ny fikambanana Ampefiloha Cité Miray Madagascar handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan’ny «Cité Ampefiloha».

 Efa natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana izany ny alahady 18 mey 2014. Hitohy amin’ny hetsika ara-kolontsaina izany ny 20 sy 21 jona ho avy izao amin’ny alalan’ny rindran-kira iarahana amin’ireo mpanakanto 20 mahery. Eo ihany koa ny famelabelarana arahina adihevitra momba ny tanora sy ny fiarovana amin’ny Vih/Sida sy ny fahaiza-miaina amin’ny mpiara-belona. Hisy ny fakana ra miaraka amin’ny fanangonam-bola hanatsarana ny tontolon’ny fiarahamonina ara-tsosialy. Hiavaka ny harendrina hokarakarain’ny Fokontany ny 25 jona hariva. Tsy ho diso anjara ny sehatry ny fanatanjahantena sy ny fifaninanana ho an’ny tanora. Ny volana martsa 2015 moa vao hifarana ny fankalazana. Hafatra lehibe nanamarika ny fiainan’ny mponina ao amin’ny Cité Ampefiloha hatramin’ny taona 1964 ny fanomezan-danja ny maha zava-dehibe ny fifankatiavana sy ny firaisankina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT