Ankizy 8 087 mianadahy ao amin’ny taona fahasivy no miatrika adina andrana nanomboka ny Alatsinainy teo mahakasika ny fanomanan-tena hiatrehana ny fanadinana BEPC any amin’ny Cisco Ambatondrazaka.
Ho an’ireo ao amin’ny taona fahadimy hanomana Cepe, dia ny talata no niatrika ny adina andrana izy ireo. Mahatratra 5 643 mianadahy ireo ankizy haka ny diplaoma ara-panjakana voalohany io any Ambatondrazaka. Ahitana fitomboana betsaka ny isan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana io any Ambatondrazaka. Fanamby napetraky ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Rakotonindrina Jean Baptiste ny hampitomboana ny tahan’ny fahafaham-panadinana amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Nisy ny fanofanana ireo mpanabe sy fanomezana laza adina andrana in-droa miantaona ho an’ny ankizy mba hahatrarana izany tanjona izany. Ny vokatr’izao fanadinana andrana voalohany izao no ahafahana mamantatra ny faripahaizana eo amin’ny ankizy tsirairay ary hanampiana azy ireo eo amin’ny fiatrehana ny fanadinana hakana ny diplaoma CEPE sy ny BEPC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.