Actualités

CIM Ambohidahy Nofoanana ny filaharana, mila maka “rendez-vous”


  • Talata 03 Novambra 2020

Notaterintsika teto amin’ny Tia Tanindrazana omaly, fa manomboka amin’ny 09 ora alina dia efa rakotra olona etsy amin’ny Sampan-draharaha momba ny taratasin’ny fiara na ny CIM etsy Ambohidahy milahatra.

 50 ihany mantsy no azo raisina, ka tsy ela dia efa feno io, ary miaritra mandra-maraina ny manan-draharaha. Omaly ihany, dia nanao fanambarana ny Lehiben’ny CIM eny Ambohidahy Atoa Rakonandrasana Velonjara, fa nofoanana ny filaharana ho fisorohana ny kolikoly sy fivarotana tapakila. Mila maka fotoana mialoha (rendez-vous) ireo mikarakara antontan-taratasy fahazoan-dàlana. Tsy ilaina intsony ny milahatra, fa manomboka izao dia hisy olona natokana sy rejisitra manokana nosokafana handraisana ny famandrihana fotoana ahafahana mametraka ny antontan-taratasy fangatahana hamily fiarakodia, hoy ny Lehiben’ny CIM. Nambarany fa tsy misy intsony ny antony tokony hilaharana satria misokatra amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro ny rejisitra. Rehefa maka ny famandriam-potoana, dia tsy maintsy ilay olona izy tenany, mila mitondra ny antontan-taratasy ary hamarinina eo no eo ny antontan-taratasy. Homarihina ao anatin’izany ny famandriam-potoana azony. Ny fahazoan-dàlana hamily vaovao, ireo lany medikaly, ary izay hampitombo ny “categorie” no voakasika. Natao ny fandaminana mba hiadiana amin’ny kolikoly, hoy ny Lehiben’ny CIM. Hatramin’ny omaly anefa, dia efa feno ny famandrian-toerana hatramin’ny 12 novambra, ka aorian’izany vao misy malalaka indray, raha ny fanampim-baovao azo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT