Namoaka fampahafantarana ny CIM (Centre Immatriculateur Antananarivo) eny Ambohidahy ho an’ireo izay hikarakara ny fahazoan-dalana mamily fiara na ny " permis de conduire", fa misy ny fandaminana vaovao apetraka mba ialana amin'ny filaharam-be sy fivezevezena manomboka anio alatsinainy 09 novambra 2020 izao. Tsy ilaina intsony ny filaharana vao maraina.
Mila mamandrika fotoana na maka "rendez-vous" ireo rehetra hikarakara izany « permis de conduire » izany. Isan'andro manomboka amin'ny 08ora maraina hatramin'ny 04 hariva dia misy olona handray anao eto CIM Ambohidahy, ary hampiditra ny fotoana mety aminao na ny « rendez-vous » alainao ao anaty "registre" iray, hoy ny toromarika. Rehefa hoavy ianao hanao famandrihana fotoana dia tsy maintsy hoentina avokoa ireo antotan-taratasy ilaina amin'ny fikarakarana ny fahazoan-dalana mamily fiara ataonao mba ho hamarinina, hoy hatrany ny CIM. Voakasik’io fandaminana io avokoa ny: fanaovana « permis de conduire » vaovao, fanampiana catégorie ( extension de catégorie); fanoloana ny very na ny simba ( duplicata) ; ireo lany « médical ». Herinandro mahery lasa izay no nilaza ny CIM, fa tsy ilaina intsony ny filahana satria nisy fotoana amin’ny 9ora alina dia efa misy milahatra satria 50 ihany no voaray. Nivadika ho tamin’ny 03 ora maraina ny herinandro teo. Ny antoka angatahan’ny olona dia ny hoe: raha manao famandrihan-toerana anio, dia afaka firy andro no vita ny raharaha? Dosie firy isan’andro marina no voakirakira sy vita ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.