Actualités

CIM Ambohidahy Amin’ny 9 ora alina dia efa misy milahatra


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Amin’ny 9ora alina dia efa misy olona milahatra etsy amin’ny Faritany Ambohidahy misy ny foiben’ny Centre Immatriculateur (CIM).

 

 Tsy andrimasom-pokonolona fa mpilahatra hikarakara taratasin'ny fiara sy fahazoan-dalana hamily fiara. Ny alatsinainy , alarobia ary zoma no mandray dosie, 50 isan'andro no raisina amin'io amin'ny 9ora alina io anefa , dia efa mihoatra ny faha-60 ny laharana, raha ny fanamarihana. Tena mijaly ny olona, saingy tsy afa-manoatra satria iankinan’ny fameloman-tena sy ny asa ny antontan-taratasy atao, ka tsy maintsy miaritra ny mafy. Vavahady misokatra mankany amin’ny kolikoly ihany koa ny tahaka izao satria samy te hahavita haingana ny zavatra ilainy, kanefa ny tolotra mihitsy no mitarazoka sy tsy sahaza amin’ny hamaroan’ny olona. Mila jerena akaiky ny fanaazavana sy fandaminana, fa tena fampijaliana vahoaka manara-penitra ny tahaka izao.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT