CHUTTE DE LA LILY, GEYSER

Mampitaraina ny mpanjifa ireo mpanararaotra


  • Talata 11 Martsa 2025

Lasa hanjakan’ny mpanararaotra tanteraka ireo toerana miavaka sy manan-tantara ao Ampefy ao,

lalam-pirenena voalohany. Voakasik’izany ny ao Geyser sy ny Chutte de la Lily noho ny hamaroan’ireo olona tonga mitsidika azy indrindra fa ny avy eto an-drenivohitra. Ho an’ny Chutte de la Lily manokana ohatra dia 10.000 Ar isan’olona miaraka amin’ny moto no lelavola alaina amin’ireo mpitsidika. Rano tsy azo lalaovina na hilomanosana anefa izy io amin’ny ankapobeny fa jerena fotsiny ihany. Mbola hafa ny vola alain’ny mpitarika na ny guide ankoatra izay ho an’ireo izay mila izany. Ho an’ny ao Geyser indray dia 2.000 Ar no saram-piantsonan’ny fiarakodia iray, na mijanona maharitra ina vetivety. 500 Ar isan’olona kosa no saram-pidirana. Ny tena mampitaraina ireo mpitsidika dia terena tsy maintsy mitondra guide na mpitarika izy ireo. 5.000 Ar no maka izany ho antsika eto an-toerana raha 20.000 Ar kosa ho an’ireo teratany vahiny. Eo an-danin’izay anefa dia tsy araka ny vola alaina amin’ireo mpitsidika ny zava-misy ao an-toerana. Efa tena simba mila fanamboarana ohatra ilay tetezana hampiasan’ny mpitsidika miditra an’i Geyser. Mangozohozo fatratra izany no sady efa miala avokoa ny ankamaroan’ireo hazo fipetrahan’ny tongotra hany ka ahiana hitera-doza ho an’ny mpitsidika sy ireo mponina mivelona ao. Ny ao amin’ny Chutte de la Lily indray dia ny lalana miditra no tena ratsy ka ilana fanamboarana maika.
Pati
Legende : Lasa be mpanararaotra ireo toerana miavaka ao Ampefy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT