Misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana ny hopitaliben’i Mahajanga
Handeha hisotro ronono ny 3/5-n’ny mpiasa nefa tsy mitsaha-mitombo ireo olona mitsabo tena manatona ity CHU Androva ity, izay mankalaza ny faha-90 taonany ankehitriny. Niorina tamin’ny taona 1924 ny Hopitaly ary misy mpiasa 303 ankehitriny. Ny 53 dia dokotera tsotra, 10 dokotera manampahaizana manokana, ary 8 profesora.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.