Actualités

CHU Ambohimiandra Notoloran'ny minisiteran'ny mponina fanampiana ireo ankizy tsaboina ao


  • Alarobia 25 Jona 2014

Ankizy 18 isa manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly CHU Ambohimiandra no indray notoloran'ny minisiteran'ny mponina sy ny asa sosialy fanampiana toy ny kilalao, vary, rononomandry amin'ny boaty, tsiasisa ...

 omaly maraina. Noho ny fahatongavan'ny fetin'ny Asaramanitra no nambaran-dRamatoa minisitra Johasy Eleonore fa anton'izany izay tsy nijanona ho an'ity hopitaly iray ity irery ihany. Afak’omaly talata no efa nanomboka ny hetsika, araka ny fanazavany ihany. Tao amin'ny service pédiatrie Befelatanana no nisantaran'izy ireo izany, nitohy tao amin'ny hopitalin'ny zaza ao Tsaralalana. Nanotrona ity minisitra ity nandritra izany ireo vadina minisitra maro ao anatin'ny governemanta ka ny andron'ny omaly, ohatra, dia ny vadin'ny minisitry ny fizahantany no niara-dalana taminy. Mbola nitohy tao amin'ny hopitaly HJRA moa ny hetsika omaly hariva, nandalo tany amin'ny toerana misy ireo olona manana fahasembanana etsy Behoririka ... Tsara ny manamarika fa anisan'ny nahafaly ny minisitra manokana ny fahadiovana sy ny filaminana misy ao amin'ny CHU Ambohimiandra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT