Notokanana omaly alakamisy 10 jolay ny “Centre de Transfusion Sanguine Régional” na ny foibe fitehirizana ra an’ny CHRR Antsirabe sy ny fanolorana ilay fiarabe iray fanangonana ra any amin’ny Distrika manodidina
Ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana no namatsy vola ireo asa sy ny fitaovana ho amin’izany. Marihina fa fitaovana arifomba avokoa ary afa-miasa avy hatrany ny tao amin’ity toerana notokanana ity. 900 paosy isan-taona ny ra voangona ao Antsirabe noho ny mbola fahavitsian’ny mpanome ra. Nentanina, araka izany, ny hisian’ny olona mba hanome ra izay azo lazaina fa manome aina ary tsy misy atahorana intsony fa efa arifomba ny fitaovana misy. Nitarika ny lanonam-pitokanana sady fitsidihana voalohany nataony tao Antsirabe ny Praiminisitra Kolo Roger.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.