Nampahafantatra ny drafitra vaovao hiasany mandritra ny roa taona ho avy ny filohan’ny CBM (Christoffel-Blinden mission) teo aloha Ely Ramanantonina omaly. Lohalaharana amin’izany ny fijerena akaiky ny fampiharana ny zon’ny olona manana fahasembanana izay nanaovan’i Madagasikara sonia ny volana desambra taona 2014
. Tanjona amin’ny ankapobeny, hoy ity tompon’andraikitra ity ny hahatonga ny olona manana fahasembanana hanjary ho fitaovana hahafahana mampandroso ny firenena fa tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina toy ny teo aloha intsony. Firenena 65 isa no hiasan’ny fikambanana hatreto, anisan’izany isika eto Madagasikara izay hanatanterahany tetikasa miisa 14. Mijery sy manampy ireo olona mivondrona anaty fikambanana manana olana ara-pahasalamana ihany koa ny CBM toy ny maso sy ny sofina ohatra hisorohana ny fahajambana sy ny tsy fahafahana mandre. Niova nanomboka omaly ny filohan’ny CBM ka i Lila Ratsifandrihamanana indray no lasa mpitantana izany. Narahina famindram-pahefana izany rehetra izany, lanonana natrehin’ny solontenan’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.